TIAKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO

Tiako ny mitia
Raha toa ka ianao
No iarahako miria
Isan’andro izao

Tiako ny mijaly
Raha toa ka noho ianao
No tsy hahafahako mifaly
Ekeko tsotr’izao

Tiako ny miaina
Satria izao tontolo izao
Ireo izay tian’ny saina
Efa fenonao

Tiako ny Fitia
Satria tiako ianao
K’izaho sambatra ery
Fa manana anao

Tiako ny Mitia
Tiako ny Fitia
Tiako ny Fitiavana
Noho ianao rahavana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1368 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 05/09/2006 08:17)
tiako koa ianao
raha toa mitia ahy
fitiavako ianao
odin'ny Fanahy

fa tiako ny mitia
raha tahaka anao
fitiavana doria
Fatapera, saribao

malalason
raozigasy ( 10/09/2006 00:52)
Ianao fatapera, izaho saribao,
Mangatsiaka ianao raha izaho no tsy ao
Izaho saribao ianao fatapera,
Raha tsy ao ianao, za hanao mopera

hihihihi !!!
Malalason ( 13/09/2006 10:48)
hahahaha aza mahatsikaiky eo fa tsssss
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1139