Tiako ianao fa …. (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natsikinao indray, ilay masoandrom-poko,
Efa lasa nihilana
Nohazavainao indray, ilay tsatsotsatson-doko,
Efa tsy nangirana

Narehitrao indray, ilay fitia tanatiko,
Efa tsy nety lonaka
Najoalanao indray, ilay afo matimatiko,
Vain’afo tsy nidonaka

Novelominao indray ilay redam-pitiavana,
Efa vasobasoka
Notairinao indray, ilay hovi-mahamavana
Efa lavi-kasika

Nofohazinao indray, ilay zoton-dehilahy,
Efa resin-tory
Nomenao aina indray, ilay saika rangolahy
Hay tsy maty akory
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1402 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
Soarilala ( 28/11/2011 21:52)
Soa fa nisy ianao, nanaitaitra ity foko,
Izay saika lasa nanindao
Soa fa teo ianao, nanome ahy indray,
Aina sy hery vaovao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081