TIAKO IANAO RY VADIKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry vadiko

Tiako ianao ry vadiko
ary asongadiko
ho hitan ny tontolo,
fa ny foko ho anao daholo,

Tiako ianao ry vadiko,
ka ny vola ilay fitadiko,
katsahiko ho antsika,
k ireo nofy ho vita,

Tiako ianao ry vadiko,
ka ny vavak alahadiko,
sy ny hatako amin-dRay
hitahy antsika hiray,

Tiako ianao ry vadiko,
ary ataoko ho adiko,
ny hanao izay hahasambatra
antsika roa mitambatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2688 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 08/05/2010 21:00)
Tena mbola hafa ihany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.242