Tiako ianao ry zanako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry zanako

Na mamoha sasak’alina, na manditsaka am-pandriana,
Na tsy ahitako tory ny alina, na mitomany be kiriana
Dia tiako fa zanako

Na misintona ny volo, na mandrangotra tarehy
Na manao fihetsika bontolo, na manavesatra ahy mandeha,
Dia tiako fa zanako

Na mampijaly ny aiko, rehefa injay marary
Na mamizana ny saiko, rehefa tsy mihinam-bary
Dia tiako fa zanako

Fa na mampaharary ny aina, na mahavaky fo,
Ny ataonao sombin’aina, dia iaretako avokoa
Tiako ianao ry zanako
--------
Rohy:
Sokajy : zanaka
2180 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 14/08/2010 19:31)
Tena mamy tokoa ny silaky ny aina, n'inon'inona ataony dia zakaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311