TIAKO NY ANABAVIKO (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO NY ANABAVIKO

Tiako ianao, tena tiako, ary alahelovako mazana
ary amin'izao anio izao, ny soratsoratro tsy tana
fa hampirimàko vetsovetso,ary handrariako teny,
ho teny mamintsika dahy, tsy ho adinoinao ombieny

Fetinao anio ry bavy, nefa fetiko ihany koa
satria ny bitakao izay any, tena fifaliako koa
ireo falihavanja sy torebika, ireo korana sy lalao
noho ity andro anio ity, tena itambarako aminao

Ka ny hafatra omeko, sy ny fiarahabana atolotra
dia tena teny avy ao am-po, tsy sanatria an-tendro-molotra
mirary soa anao hatrany, ho salama ho lava andro
ho lavi-drofy ho lavi-pery, izay no vavako isan'andro

Dia hotantanan'ilay Avo, ny fiainanao rehetra,
hotanteraka ny faniriana, zazakely, trano, etsetra,
dia tsarovy hatrany hatrany, tsy manadino izokinao
na dia lavitra aza izy, tena miaraka aminao

Dia mahereza, mazotoa, fa mbola lavitra ny dia
veloma ao amin'ny vadinao, ilay notoloranao fitia,
lazao hoe bedesiko izy, raha sanatria ka mampijaly,
dia rahoviana indray hono hoe : isika no hiaraka hifaly

Dia veloma vetivety ranabaviko tsy foiko,
rehefa avy eo ihany ange, ianao dia antsoiko,
fa toa tsy ampy izay soratra, hampitako ny tsiahy,
mila maheno anao ny foko, miresaka isika dahy

Dia mamibe eo an-takolaka, toa isika fony kely
no hamaranako ny teny, izay fa rehefa kelikely,
sao mangano izato masoko, noho ny alaheloko anao,
koa mandram-pihaino indray ry zandry , fa hiantso aho izao dia izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
2086 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 21/03/2007 16:35)
tsara ...
lanto ( 28/03/2007 17:40)
Mahafinaritra! Tsy dia matetika no mahita fitoriam-pitiavana ho an'i bavy...:-)
karako ( 21/09/2007 19:00)
Omaly aho fa nanoratra tononkalo fohy ho anabaviko koa. Dia androany aho mahita ity asasoratrao ity Raozy. Mipetraka lavitra ahy koa izy izay. Rehefa @ tsingerintaona nahaterahany angamba dia hindrana ny tolonkalonao aho hatolotro azy koa :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 20/03/2007 20:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253