Toa naleoko ihany (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa naleoko ihany, niaina tsiriritra, sarotra takarina
Toa naleoko ihany,
fony ilay ianao, sarotra fantarina
Toa naleoko ihany,
fony ilay fitiavana, tsy hita nosantarina
Toa naleoko ihany,
ireo mamy tamin’izany, tsotra nefa marina
Fa anio tsy izany,
fa be ny ditranao, ianao tsy laitra anarina
Fa anio tsy izany,
izaho sasatra miteny, he ... ity feoko farina
Fa anio tsy izany
f’izay natsangatsika, nirodana, nivarina
Fa anio tsy izany,
tsy misy mamy intsony, izay sisa no marina
dia ilay ampitso ho tamy
siokan-tsima sisa, vao maika toa itarina
dia ilay ampitso tamy
longoa saronan-tsihy, sisa no velarina
dia ilay ampitso tamy
kitrok’adin-tsaina, miofon-dokon’arina
dia ilay ampitso tamy
fitiavana hiletsy, tsy hay intsony akarina
....
Ka dia ketraka aho
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana