Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho haiko ny miaina,
fa ianao no rivotra mamelombelona ahy
fa ianao no zava, mampitsiky ny androko
Fa ianao no hery, manala ny ahiahy
Fa ianao no fàna, sy tara-masoandroko

Tsy ho haiko ny miaina,
Fa ianao no rano, manala ny hetahetako
Fa ianao no mofo, mamelona ny aiko
Fa ianao no manasitrana, ireo fijaliana iaretako
Fa ianao no jiro, mpitsilo dia ny saiko

Tsy ho haiko ny miaina
Fa ianao no andry , hanankinako ny fiainako
Fa ianao no ampitso, zahatra hianteherako
Fa ianao no toky , isandratan’ny marainako
Fa ianao no vavaka, andrandrain’ny Fahanterako
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
1363 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316