TONGA SOA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA SOA

Tonga soa ialahy leiroa
Dia falibe i dadatoa
Faly ny fianakaviana
Tojo zaza ilay nirina

Tonga soa ialahy leiroa
Dia arahabaina ihany koa
Na i neny na i dada
Be someby sy kotaba

Tonga soa ialahy leiroa
Tretrika ireo bebe roa
Fa nahazo zafikely
Ho torahi-mamikely

Tonga soa ialahy leiroa
Dia raisina an-tanan-droa
Dia omen-tso-drano be dia be
Ka ho vetivety dia holehibe

Tonga soa ialahy leiroa
Ka isaoranay tokoa
Andriamanitra ao ambony
Noho izato sitrapony
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1190 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313