Tontolon-taiza (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifankatiava ihany, raha mbola velon’aina
Izany no ventesina, izany no hiraina
Rehefa tiana hangina, ny hotra-katezerana
Sy ireo zava-maro, tiana handeferana

Omeo koa ny ankavia, rehefa voa ny havanana
Izay no fitaiza, nirina mba hotanana
Dia nodradraina koa, ny fandalana fihavanana
Hoe loharano iray, ny tapaka sy namana

Dia hoy aho nanontany, taiza sa tarazo
Raha ny vanin’andro anio, toa mampihazohazo
Natao ho an’ny efa zokiny, sy angano sisa izany
Hoy ireo andian-jatovo , mamaly an-kanihany

Fa ny fitaizana anio, taizan-drendrarendra
Ny voy avy any am-pita, nadika tsy kisendra
Natao tahaka mitovy, sy dika fahatany
Fa izany no lamaody, mba manaraha ihany

Na tafy na fiteny, na fomba fiaina ivelany
Raha vao tsy vahiny, dia tonga dia navelany
Fa efa lany andro, sy zavatra efa ntaolo
Aleo hijanona any, fa resaka efa haolo

Dia iny aho mba variana, gagagaga koa
Taiza inona no tsara, ilay izao sa ilay taloha
Tontolon-pandeferana, sa tontolom-pisokafana
Ny omalim-panajana sa ny ampitso hifanahafana
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
765 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308