TPT (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TPT, LOL , MDR
izany izao no feno an-tontolon-tsera
rehefa misy zavatra mampihomehy
dia efa samy “kopy” ny daholobe

TPT hono “TaPa-Tsinay”
raha vao misy resaka mivoana iray
dia ampiana kely ny “hahaha”
dia latsaka daholo na vavy io na lahy

MDR indray “Mort De Rire”
raha vao misy resaka mamalan-kira
hita teny rehetra teny
dia ampiana “hihihi” manampy an'ireny

LOL indray Laughing Out Loud
raha misy vanitika mihaodihaody
na resaka hafa mivara lila
toa an-drabeminah, tsy mikiraro ila

ireo no santionany amin'ny teny fohy
fa ny hafa maro anareo no manohy
na misy zava-porona, tsy mbola hita
avadiho an-drima ho mora tafita

Raozigasy
--------
Rohy:
1147 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.028