TRATRY NY FETY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRATRY NY FETY
Tratry ny fety indray ranabavy
Tena vetivety ilay taona dia avy
Mbola tsaroako herintaona hoatr’izao
Izaho ilay nanoratra, teny ho anao

Izao ity tonga indray
Vita sahady ny taona iray
Toy ny vao omaly, tena mandeha
Ilay fotoana haingana be

Ka raha samy handeha toy izao ilay fotoana
Dia izao no hafatro rehefa tsy mihaona
Tongava soa ilay vahiny vaovao
Tongava tsara ilay zanakao

Mirary anao ho salama tsara
Eo am-piandrasana izato dimby sy fara
Izaho na dia lavitra, ny foko dia any
Mahatsiaro anao hatrany hatrany

Dia mametra-veloma ary mirary soa
Ho tojo izay irina ianareo roa
Andriamanitra anie no hitahy
Ny fatoram-pitiavantsika tsy hivaha
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318