TRATRY NY TAONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRATRY NY TAONA

Raha tonga indray ity tonon-taona
Taom-baovao, Asaramanitra
Dia tonga aho , miarahaba etoana,
sy misaotra an’Andriamanitra

Fisaorana Azy no atolotra
Noho izato fahasoavana
ka ny vavaka eo imolotra
dera, laza, fankatoavana

Dia arahabaina isika Zanany
Mandia ity taona vao
Ny fiarovan ilay Tanany
Anie hambomba ahy sy anao

Koa ndeha hifampiarahaba isika
Hifampizara fiadanana
Izy Ray ilay mpiahy antsika
No hiaro koa izay an-tanana
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
3006 2
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 08/01/2009 20:09)
eny oah,taona vaovao tokoa e!Mahafinaritra fa tohizo.Tsy omena raozy satria efa raozy ny ps-nao tsinona.
raozigasy ( 09/01/2009 17:12)
zavatra hafa ankoatry ny raozy ary omena e ..
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084