Tsara be ialahy (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara be ialahy !!!

Io ravehivavy, sahirana mitady
Izay jaika tsara, sy loko hoe miady
Amin’ny tafy anio, fa andro lehibe
Ka mila miova kely, fa sao dia mampihomehy

Io ravehivavy, sahirana mifidy
Izay raitra miavaka, dia manokatra manidy
“commode”, “penderie”, “placard” sy “armoire”
Dia tsy azo adalaina, sao mahazo ny kafara

Io ravehivavy, sahirana mandinika
Ny ady riman-doko, hatramin’ny madinika
Bokotra , “foulard”, poketra sy kiraro
Fa misy hono loko, tsy mety mifangaro

Io ravehivavy, efa adiny iray
No mamoaka akanjo , sy mandraindray
Manoloana ny fitaratra, mampitovy, mampijery
Sy manao kajikajy, dia miteny irery

Io ravehivavy, anatin’ny tontolony
“ity efa nanaovako” hoy ny fipetso-molony
“ity efa fahita” ka tsy hanaovako intsony
“ity izao no lamaody”, loko vonivony



Dia afaka ora roa, izy nivoaka tao
Tsy mbola matoky tena, fa “mety ve izao ? “
Dia ralehilahy sahirana, ka tsy sahy manda
Fa tsy sazoka miteny, “tsarabe ialahy”

© Raozigasy 29/12/2016
--------
Rohy:
1821 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/05/2019 21:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312