TSIARO SISA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO SISA

Raha nodimandry ilay notiavina
Raha nihitsa-nofo ilay notoavina
Vita ilay fiainana nindraminy
Ka tantara sisa ny aminy

Raha nandao ilay havan-tiana
Raha nody tsy hisy fihaviana
Fa vita adidy teto an-tany
Fa ny fiainany efa any

Dia tsarovy lalandava
Fa na dia tsy hifanatri-tava
Aminao ilay olon’iny
Dia mbola eo ilay “fahiny”

Dia tadidio ombieny
Ireny “taloha” rehetra ireny
Ireny sisa “sarobidy”
Fa ilay fasana efa mihidy

Izy efa lasana any
Efa nilaozany ny tany
K’isika sisa no tavela
F’izy efa “rakitry ny ela”

Izy efa “fahatsiarovana”
Tsy ho resim-pahalovana
Ka ilay “tsiaro” azy sisa
No azontsika atao “tanisa”
--------
Rohy:
1054 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 30/03/2009 15:14)
Tsara... mahereza !
raozigasy ( 30/03/2009 15:57)
misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311