TSIKY FANOMEZANA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATOLOTRA AN I HERY NOHO IZAO TSINGERIN-TAONA NAHATERAHANY IZAO

TSIKY FANOMEZANA

Eny efa niomana aho, ary alina aza, tsy nahita tory
Ilay loha nifamaho , sahirana toa zaza , feno sorisory
Hoe inona no atao , atolotra ho anao , amin ny andro anio
Fanomezana vaovao ? fitafy, kilalao ? mampiasa ny saiko io

Dia lasa teo ny saiko, nihevitra izay mety , atao fanomezana
Ilay fanahy moa nibaiko, hoe noho ity andro fety, teny atao fehezana
Moa ianao nanoratra, tao an-tserasera , hoe Tsiky moa dia ampy
Ka ilay aingan ny mpanoratra, tsy mba nitavera, fa tonga dia niantsampy

Koa noho ity fetinao, taona nahaterahana, dia izao no teny ambara
ho lava andro anie ianao, ho mamy ny fiarahana, ilay dimby ho tonga tsara
dia Tsiky no hamenoako, ny ambiny rehetra , toy ilay voalazanao
ilay Tsiky avy ao am-poko, tsy mba misy fetra, no aTsikiko aminao

ilay Tsiky tena marina, avy amin ny sakaiza,namana, rahalahy
ilay Tsiky izay mpanarina, ireo tsy afaka ho aiza , raha sendra ny tsy nahy
ilay Tsiky tsy amboletra, fa an-tsitrapo, fifanaovantsika
ireo Tsiky rehetra rehetra, ireo vokatry ny fo , ireo Tsikitsikintsika

dia mbola Tsiky ihany , no entiko mamarana , izato sora- tanana
ilay Tsiky mihanihany, zary fahazarana , veloma indray ra-Namana
--------
Rohy:
2019 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299