Tso-drano (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSO - DRANO

Dia handeha izany ianao
ranabaviko malala !
dia handeha ka handao
tsy hitsoaka fa hiala

Hanara-dia olon-kafa
hahita tokan-trano vao
ka any indray ianao hitafa
hanana ny tranonao

Dia hilaozanao ity zoky
s'irony sangisangintsika
eny nefa zaho matoky
fa tsy hifankafoy isika

Izandrikely avelanao
f'efa tonga ny fotoana
tonga ny anjaranao
handeha ianao k'hatao ahoana

Dia i neny irery izany
no hijanona ao an-trano
f'efa miandry anao any
ilay vadinao ilay tokantrano

tsy maninona izany
raha izay ny lalanao
izay koa ny lalĂ n'ny tany
hanao veloma hifandao

ka teny fohy, teny tsotra
teny kely teny mamy
no tso-drano mba atolotra
sy hamintinako an'izany

Soava dia, dia mahereza
ho amin'ny ho avinao rehetra
ka ny fitiavanao hateza
ary ho aina anie no fetra

Izay no hafatra avy amiko
dia mifankatiava tsara
Tiany ianao nefa mamiko
ndeha rehef'izay no anjara

Malahelo aho oriory
toa fenofeno koa ny fo
tsy hoe ianao handeha akory
na ianareo ho roa

Fa malahelo ny tsy eo
malahelo ny efa lasana
tsy hahita akory anareo
f'efa saron'ito fasana

Aloka ihany anefa iny
tantara lasa sy niserana
k'aza dia omena tsiny
ny hoavy asiana fiheverana

Dia mahereza mivononĂ ,
tsy ho azon-tsampona ny dia
izay no teniko ho tsaroana
"mahaiza re mifankatia"

koa raha handeha ianao izao
ranabavy tsy ho tana
i Zoky koa mamela anao
ka mahaleova mahalasana

12/03/03
--------
Rohy:
7577 4
Hevitra mandeha
didou ( 07/06/2004 19:22)
mahafinaritra mampisentosento rehefa tojo ny toy izao ary tena tsara ny mamela teny mamy satria mari-pitiavana izany.
tohizo ary mankahery anao koa e !
neo83 ( 16/05/2008 05:51)
Tsara b le izy, tsy te-anampy ankoatrany aho fa mahalaza azy tsara zay. mahereza d tohizo fa tsara.
Sohitika ( 21/05/2008 15:04)
Ny tso-drano hono zava mahery, mahafinaritra fa mankasitraka.
andry 1000 ( 04/04/2015 06:16)
no comment e!! henjana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0267