Tsoriakan-kintana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irery teo amoron-driaka, mijery faravodilanitra
Ngomangoma, ginagina, toa tena lavitra salanitra
Mainamaina , bangabanga, toa very hevitra sy sina
Valabalaka , mangaina, fenofeno vinavina

Dia lasalasana vinany, manembonembona tsy fantatra
Olona sa firenena ? sarotra atao ankamantatra
Verivery, Varimbarina, arirarin’ny ambiroa
Asosasosan’ny fanahy, hitety izato noanoa

Dia tao anaty fahanginana, sy ity foana izay tontolony
No nikorotsaka ilay teny, niloatra kely avy eo imolony
“Iny” hoy izy tamin’izay, nahita ilay tsoriakan-kintana
Toy ny mpanjono sasa-miandry , izay vao nihinana ny fintana

Dia nanonona anaty, hetaheta tsy mivoaka
Dia nandefa vetsom-bavaka, tao am-po fa tsy niloaka
Dia nitsiky sady faly, ny endrika koa nihamirana
Toa nisinda ho azy teo, ilay tava izay makirana

Dia nihiratra ny masony, ravoravo ny tarehy
Fenofeno bitabitaka, hafaliana tsy voafehy
Nisandratrandra-hazavana, ny zavatra izay jineriny
Teo feno ampoka sy tampoka, ilay tontolo izay ireriny

Niarina izy dia nitsiky, dia nanakopaka ny lambany
Lafiky ny hetahetany, sy ireo angambangambany
Dia nitodi-doha nody, fa tafita ny hafatra niriany
Lasa niaraka amin’ny vetson’Ilay tsoriakan-kintana iny
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
757 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335