TSORIKO NY MARINA (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireto masonao,
mamiko fijery, sy feno banjina ahy,
dia mampita hery ka maka ny fanahy

ireo hafa mbola tsy haiko , sy tiako hofantarina
dia efa tiako ry aiko, fa tsoriko ny marina

Ireto sofinao
mpihaino izany bitsiko, s’ireo teny mamiko
dia lasa horovitsiko, ka sarobidy amiko

ireo hafa mbola tsy haiko , sy tiako hofantarina
dia efa tiako ry aiko, fa tsoriko ny marina

izato oronao,
mpanimbolo ny hanitro, mpisangy ny takolako
tsy andriko sy tsy aritro, fa zary angolangolako

ireo hafa mbola tsy haiko , sy tiako hofantarina
dia efa tiako ry aiko, fa tsoriko ny marina

ireto molotrao,
mpanorokoroka ahy, mpitondra fy an-koditro
manaitra ahy ho sahy, mampitombo ny hovitro

ireo rehetra ireo
sy ny hafa mbola tsy haiko, sy tiako hofantarina
dia efa tiako ry aiko, fa tsoriko ny marina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1102 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 25/01/2011 18:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306