TSY FOIKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FOIKO

Ny vetsovetso nosoratako,
Ny andian-teny nanandratako
Ny fitiavako anao

Dia fitaovana ihany
Ilazako f’eto an-tany
Dia fitiavako ianao

Ny nofinofy mamintsika
Ny visavisa izay tafita
Tsy porofo ireo akory

Fa tsindrim-peon’ny fitia
Fo iray tempo, iray dia
Na mandeha na matory

Ireo toky izay nomeko
Ireo dina izay nekeko
Dia voady tsotra ihany

Fa efa fantatry ny foko
Fa ilay olona tsy foiko
Dia ianao irery ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2145 2
Mpakafy: hery - scotlandyard
Hevitra mandeha
Malalason ( 13/09/2006 10:40)
hmm tsara be, sambatra izy fa mahazo mandry ivohon'ny vato
pissoa ( 30/10/2006 18:31)
Hmmm, mahafinaritra !
katiaa ( 31/01/2007 21:54)
tikouuuuuuu!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307