Tsy hanoratra aho androany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hanoratra aho androany, fa haka saina kely aloha
Fa aleo rahampitso hoy aho, ilay aingam-panahy vao hafoha
Dia aleo mba hiandry kely, ireo Malagasy lasa zatra
Mamakivaky an-dRaozigasy, sy ireo hafany mandratra

Tsy hanoratra aho androany, fa aleo kely haka bahana
Tsy ny vatoaratra no lany, na hoe ny vetso lany fahana
Fa aleo indray mba mijerijery, ireo mpaka fy ireo tononkalo
Sao tsy namana daholo, fa misy hafa fahavalo

Tsy hanoratra aho androany, fa hamadibadi-pejy
Hizahazaha, hamantampantatra, hirenireny sy hivenjy
Ireo namana sy tapaka, ireo sakaiza sy akama
Mpanao “j’aime” ny kantoko, mi-“partage” koa mazàna

Ka farany aho tsy nahatàna, fa nanoratra indray
Ho fisaorana anareo, efa ho diman-jato kay
Mankasitraka rey olona, fa tena tsapa mankahery
Fa raha mitokana aho manoratra, hay tsy honjoko irery

Fa iarahantsika am-pizarana, ireo kanto miparitaka
Ka mampiravo fo tokoa, eny tena mampibitaka
Ka telin-tsaotra no anterina, ho anareo namana rehetra
Hotohizana ny soratra, ary ho aina anie no fetra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
90 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032