Tsy ilay ... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe : « Tena tiako »


Tsy ilay halatra no tiako, fa ilay siakasiaka keliny
tsy ilay ditra no ankafiziko, fa ilay taintaina kely aeliny
tsy ilay otam-baiboly, no ifikirako ny hamaminy
fa ireo endim-bitaka afenina, izay nozaraiko taminy

Tsy ilay mandainga ange no tsara, na ireo zanajanak'hafetsena
tsy ireo halatra fotoana, na ireo fitaka nomena
fa ilay hakatrakatr'hafanana, nodaniham-pahazarana
no nampitady tsiro hafa, indrankindran-ts'hita farana

Tsy ilay maditra ange no mety, fa ilay voarara no toa fy
tsy ilay isan'andro no tsy tsara, ka tsy andry ilay handeha ary
fa indraindray ny olombelona, tsy hita hoe atao ahoana
na vokibe aza ao an-tranony, any ivelany izy noana
--------
Rohy:
905 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031