Tsy maintsy (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na rotehim-pahantrana, ka mitrongy aho izay vao homana
Na isan’andro vaky izao, dia valaky ny fitolomana
Na mandry fotsy hateloana, vokatry ny fiafiana
Na kitsay aza sisa no voro-damba hitafiana
Tsy maintsy veloko ny zanako

Na dia nono maina, ritra, tapi-tete sady foana
No azoko atolotra hatreto, hampangina rehefa noana
Na dia tsiky feno afina aza no hanambazako azy
Na dia kiry aza sisa , tanjako mizaka sazy
Tsy maintsy miady ireto tanako

Fa io masoandro io rahampitso, mbola hihiratra hoa ahy
Fa io kitrok’aizina io, indray andro any mbola hivaha

Raha mbola velona ny aiko, izaho mbola hanantena
Raha mbola mihiratra ny masoko, mino ahy fa hisy famonjena

Tsy maintsy hivoatra ny taranako
Tsy maintsy ……
Tsy maintsy ……

© Raozigasy
--------
Rohy:
1516 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 05/10/2014 23:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319