Tsy misy fitiavana tsy misy tantara (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy fitiavana tsy misy tantara
Na fitia amboarina, na fitia voarara
Na fitiavan-terena, na fitiavana anjara
Na fitiavana hita hoe milamina tsara

Tsy misy tantara tsy misy fitiavana
Mety hoe ravahan’ny lokon’ny avana
Mety hoe saranga halan’ny havana
Mety hoe vola sy harena tonga hampitavana

Misy fitiavana dia misy tantara
Kanefa ny hafatra tiana hambara
Ny fitiavanao tsarao karakara
Amin’izay ny tantaranao ho tsaratsara
--------
Rohy:
1991 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0346