TSY NANORATRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NANORATRA AHO


Tsy nanoratra ho anao aho, tamin’ny taona vaovao
Tsy nanoratra ho anao aho, tamin’ny andro fetinao


Tsy nanoratra aho satria, na ny fo na ny fitia
Samy efa any aminao daholo, tsy atakalo na asolo


Tsy nanoratra aho satria, na ny soratra ho an-dry
Na ny teny tiako ambara, dia efa tena hainao tsara


Tsy nanoratra aho satria, izay vetsovetsoko akia
Dia vetsovetsotsika koa, na matory na mifoha


Tsy nanoratra aho satria, fitiavantsika tsy malia
Ka ampahatsiahivina matetika, f’efa fantatry ny fihetsika


Tsy nanoratra aho satria, isika roa dia Samy Tia
Samy mahalala am-po, fitiavantsika tsy ho lo


Koa raha manoratra aho androany, dia ho fintina ihany
Sy amboaran’ny fitia, izay fantatsika f’ho doria
--------
Rohy:
1544 1
Mpakafy: fiderana
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 01/06/2006 20:47)
Tiako be lé tononkalo. Na dia izany aza manorata matetika ihany na dé fantany hoe tia, hampisehonao azy hatrany fa aza avela hitomany hiandry ny soratananao, ndeha manorata zao dé izao!
Tsara be! tohizo
raozigasy ( 02/06/2006 07:58)
misaotra an'i Fiaritiana nankasitraka e !!
12 ( 02/06/2006 14:11)
tsara be
fa mba tena manorata ihany eee!!
tena nisy ve sa noforonina misaotra namaly tohizo fa tsara
fiderana ( 12/09/2006 06:22)
tsara raozy , te hangataka tonokalo aminao ny tenako, fa toa miasa amiko raha toy io nosoratanao io
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309