TSY RARINY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RARINY

Nahoana re ry taniko
Ianao no atao izany
Nahoana ianao ry taniko,
no omena fahatany ?

nahoana ianao no afoy
ho an ny kely maso
tsy nierana akory
izany ve tsy ankaso ?

nahoana ianao no omena
ny saiko rikoriko
nefa tsy nifanekena
izany ve dia tiako ?

nahoana ianao no atolotra
ho an’ikalahafa
sa inona ny tsolotra
ny saiko hafahafa
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
1174 2
Mpakafy: hjl - raozigasy
Hevitra mandeha
litamour ( 22/11/2008 09:25)
lamour.
ianao 'zay mora taitra
ianao 'zay misendoatra
ny fonao mitroatra
mahita ny tsy laitra.

f'isika eto ihany
f'isika tsy ho aiza
f'ireo 'zay be vinany
atsipintsika hatraiza?

nisy 'reo taloha
nivarotra tsy niafina
nalefany avokoa
hatramin'ny tsikafona.

nisy 'reo nanangona
dia lasana tsy tana
ny fako sisa niangona
navelany an-tanĂ na.

ka rariny ianao
raha toa mihafahafa
f'ity taninao
toa holasan'olon-kafa

ho lasany be saina
sy 'reo manam-bola
sahy mivarotr'aina
manety loha sola.

tsy hoe manaratsy vahiny fa mila mitandrina isika ry sakaiza ah.

lamour.
rahonala ( 25/11/2008 11:41)
Ampatorio le kelimaso , omeo zavamamy be de renoka! de miraikitra ny masony. asio super glue avy eo tsy hisokatra intsony !de alaina indray le tany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316