TSY RARINY HOY IANAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RARINY HOY IANAO

Tsy rariny hoy ianao, ka inona no hatao ?

Handeha indray ve, hi-13 mey ?
Hilahatra indray, mbola tsy leo sy fay ?
Sa hampiaka-peo ? dia hihomehezany eo
Sa hanoratra an-gazety,sa inona no mety ???,

Sa hiaka-bohitra, ho eny Faravohitra ?
Sa hanamavo loha, , ho eny Iavoloha ?
Sa handeha hanakora, dia avy eo Antanimora ?
Sa hanao be vava , dia avy eo Nosilava ?

K inona no hatao ? asa re lazao ?

Tsy mety raha mangina, fa toy ny novidiana
Tsy mety raha mitombona, ka ny vava akombona,
Tsy mety raha mandefitra, miforitra milefitra,
Tsy mety ny mijery, raha lalina ny fery

Tsy mety ny mamela, ny ratsy hanjaka ela,
Tsy mety ny tsy mitroatra, raha be ny tafahoatra,
Tsy mety ny matoky, raha efa voasoloky,
Tsy mety ny mihafy , ny fitaka efa mafy

Dia inona no hatao ? etsy henoiko ianao ?

Sa hiantso vonjy indray, satria tena may,
Sa hikiaka tsara, avoty Gasikara
Sa hitalaho eroa, soloy ny filoha,
Sa hitavandra himalo, hoe ovay Ravalo,

Sa hidradradradra, hoe niova indray ny gadra,
Sa hihorakoraka, ka ompa no atoraka
Sa handeha hitoreo, hoe mialà ianareo
Sa hivazavaza, na ts’isy mpihaino aza

Ahoana ny hevitrao, inona no hatao ?
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
1502 0
Hevitra mandeha
Mitantsotia ( 05/04/2013 14:00)
Fa maninona Ravalo?
Ohatra ny tsy nampimalo
Tsy naleoko ihany izy
Dia mba tsisy ny kirizy...!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0282