TSY ZAKAKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ZAKAKO

Tsy zakako ny alahelo, rehefa hisaraka aminao
Tsy zakako ny fisarahana, rehefa iny handao anao
Tsy zakako daholo izany, nefa inona no hatao ?
Tsy maintsy zakaiko foana ihany , raha izay no mety aloha izao

Tsy tantiko ilay filaharana, sy fisavana be dia be
Tsy tantiko mandre ilay feo, hoe miondrana ny mpandeha
Tsy tantiko daholo izany, nefa hatramin izao aloha,
Tsy maintsy tanty foana ihany, raha izay no hahasoa antsika roa

Tsy tohitro ny ranomaso, eo imasoko mangano,
Tsy tohitro ny sentosento, mila hivadika ho rano,
Tsy tohitro daholo izany , nefa hiezaka aho ry tiako,
Fa ho an’ny hoavintsika roa, no tena antony hikipiako,

Tsy vitako, ny miferitr’aina, isak’ izay hoe handeha,
Tsy vitako ny mitaraina, sy ny mody tony be
Tsy vitako daholo izany, fa ezahiko vitaina,
Raha izay no hahasoa, ny ampitsotsika sombinaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1629 3
Hevitra mandeha
Soarilala ( 25/01/2012 21:26)
Tsy zakako daholo izany, miezaka aho ny tsy hitomany
Toa tsy tantiko ihany koa, atao ahoana anefa moa!
Mino aho f'aoriana ao, ny zavatra rehetra atao
Tsy maintsy hitondra valisoa, ho an'ny fiainantsika roa
ratstevy96 ( 16/08/2019 13:43)
Tsy zakako tokoa ny hiaina tsy eo anilanao
rayazoelitiana27 ( 21/08/2019 16:33)
mbola zaza aho no nahita SOLOVAIKA3 voalohany ary anio ah namerina nijery de gaga hoe hay avy t@ io tononkalo io no niavian'ny aingampanahiko nanoratra ito:
Tsy tantiko ny alahelo raha iny andao anao,
tsy tantiko ka mampitomany,nefa inona no hatao?
tsy maintsy zaka iany raha izay no mety izao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315