Vahoaka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oay jereo ity dada, dada fa misy inona ,
Fa toa hafahafa, marary sa maninona
Sa vizakabe indray,Dada hoa lazao,
Dia inona daholo ireto nentinao ??

Avia ialahy ry zanakao, avy aty ialahy,
Hiresaka isika, resa-dehilahy
Nisotro aho androany, mba nisotro kely,
na dia hain’ialahy fa tsy mpisotro velively

fa nahazo fanasana, ka tsy sahy nanda
fa sambany izy anio, no nanasa ahy
fa nipoaka hono, izany afera izany,
ka nibitaka izy ,toy ny tsy tety an-tany

fa mamo izy androany, dia toa mba sariaka
tsy toy ny isan’andro ilay manalika
sady nanome, karazandrazan’entana
sady toa niebo, no faly nientanentana

dia nomeny ahy, ilay Rideau tsarabe
sao dia mety hono, ataon’ialahy tablier
fa hovainy hono, ny ravaka biraony
fa nipoaka be ny bizina nataony

dia ireo kiraron-janany, efa saika ariany
nomeny ahy daholo,soloiny fa tsy tiany
ireo sisam-pitaovana sy ambina kahie
tsy tian’ny zanany hono fa efa démodé

dia izaho koa tsy nihafa, nameno izato gony
dia rehefa vita izany, dia avy eo aho nantsoiny
dia nampandrosoiny, tao amin’ny salon
mipetraha hoy izy, mba toy ny patron

dia mandraisa vera, dia misotroa
fa tokana ny androany tsy hisy fanindroa
whisky ny ato, fa tsy misy toaka
chivas fa tsy bota, fisotron’ny vahoaka

dia norosoiny ahy, ny jambon sy salami
manararaota ialahy, fa tsy hisy toy ity
ireto ny akoho, ity ny saucisson
zay tsy lany ento, fa ataoko don
dia iny koa ny tena, tsy nihafahafa
impiry tokoa moa, no tsy hihinana an-tsahafa
ka na dia sadaikatra, dia nihinana namango
nisotro sy niletra, tena nandrangorango

kanjo tonga ilay madama, avy dia nandroaka
lasa ity mandeha hoy izy nisafoaka
dia niady taminy, hoe adala ve sa asa
fa misotro toaka, miaraka amin’ny mpiasa

izaho koa moa nandeha nanangona forongo,
mba hitondra fihiratana, ho an’ilay tranobongo
dia namatratra ilay posy, sy nitodi-doha
moa ilay whisky, niakatra tan-doha

dia falifaly aho, nody teny an-dalana
nitondra fakon’olona, hataoko voan-dalana
no sady tonga saina, tao anatin’ny toaka
hoe izao izany moa, ilay ataony hoe vahoaka

dia izay fa mifalia, fa an’ialahy daholo
ireo rehetra ireo, dia ataovy tsara kolo
dia ilay sachet iray, ambina sakafo,
ampirimo tsara, fa ireo no tena lafo

dia rehefa tonga I neny, avy nanasa lamba
dia asaivo mihinana, tsy mihambahamba
fa izaho aloha hatory, fa tena varimbarina
ny asa atao rahampitso , mbola tsy hita marina
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
653 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0352