Vaky balle (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hikandra ve ialahy ry bainina
Sa te hahazo saosy raim
Fa misy ketrika matavy
Ny chiffre koa nefa favy

Lasa ialahy manarak’olona
Mihogahoga toa hitolona
Manaraka propagandy
Sy mihantsihantsy bandy

Mety hoe amin’ny ville
Na sisiny no mi-style
Rehefa hita ialahy hoe bobaka
Dia saosy koa mitobaka

Ialahy sady omena kata
Misy ny sarin’ilay pata
Dia eny ialahy tontolo andro
Mandra-podin’ny masoandro

Dia ny alina indray
Chiffre hafa sy milay
Manao garde milice
Sady miambina affiche

Raha toa moa ialahy maro merce
Dia mitombo koa ny verse
Mitondra akama hameno cams
Dia ialahy no atao rams

Koa raha sahy ialahy dia ndao
Vaky balle ts’hisy hoatr’izao
Iray volana mba metimety
Sady tsara kaly no mifety
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318