VALY - raozigasy
Azo vakiana?
Hanoratako ialahy ry valy
Na dia haiko tsy hahavaly
An-tononkalo izay soratako
Fa am-pomba hafa efa fantako
Fa efa tsapako sy hitako
F’ireo adidy tsy tafitako
Andraikitro izaho ilay zoky
Ialahy teo nanome ny toky
Fa efa haiko sy voadiniko
Ireo tokony ho : dinidiniko
Ireo asako izaho lahimatoa
Tena vitan’ialahy tokoa
Fa fantatro ary koa ekeko
An-tsitrapo tsy notereko
Ary tena tam-pitiavana
No nanampian’ialahy ny havana
Koa amin’izao anio izao
Tsy somonga na lalao
No isaorako an’ialahy
Tsy valy ialahy fa rahalahy
Tsy sanatria hoe fety androany
Ny tsingerin-taona eo ihany
Fa eto aho no manararaotra
Hiarahaba ary koa hisaotra
Misaotra an’ialahy misolo
Ny fianakaviako manontolo
Satria ialahy izao dia solon-dray
No mbola zoky aminay
Misaotra an’ialahy mijoro
Ho vatolampy tsy hikoro
Tena Andry iankinana tokoa
Mendrika homena valisoa
Dia hosalama hatrany ialahy
Ry rahalahy, ry zaodahy
Dia hitombo koa ny fahendrena
Dia hanaraka an’ialahy ny harena
Andriamanitra hitahy
Izay rehetra kasain’ialahy
Dia mahereza, mahombiaza
Izay no vetso mba voalaza
Hevitra mandeha
pissoa (11/04/2006 18:41:11)
Mahafinaritra izy izany, na ny tononkalo ny ilay zao-dahy!
raozigasy (28/04/2006 20:57:21)
Misaotra anao Pissoa, izaho indray aloha dia tsy manaiky ilay hoe zao-dahy tsy mba namana e !
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 09/04/2006
Mpamangy : 1846
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy