VAOVAO NY TAONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAOVAO NY TAONA

Vaovao izao ny taona,
Ary ianao moa mba ahoana !!!
Mba efa nisy fiovany
Sa ilay fantatro iny ihany

Dia inona ary moa izao
Ny mba fenitrao vaovao
Sa ny omaly tsy miova
No hajanonao ho lova

Asa re izay valin-teny
Na ho Tsia na ho Eny
F’izaho koa toa mitsaratsara
Fa ny ahy angaha moa mba tsara

Ka ahitsiko ny teniko
Sao lahy ka dia ho neniko
Ity manontanintany foana
Ny fiainan’olona hoe ahoana

Fa aleo aho mba handinika
Eny hatramin’izay madinika
Hijery todika ny lasako
Izay no ataoko ho lahasako

Ary avy eo vao mba miteny
K’izay tsy nety tamin’ireny
Hojerena sy ovaina
Ny ratsy moa dia hohatsaraina

Aleo aho manontany tena
Vao ny an’ny hafa no jerena
F’izaho angaha moa no tonga lafatra
No miseho be hafatrafatra

Ka izao sisa no lazaiko
Ataoko fehiny ato an-tsaiko
Vaovao izao ny taona
Ary izaho moa mba ahoana ?


04-01-2006
--------
Rohy:
4007 0
Hevitra mandeha
Ingahy ( 27/01/2006 14:51)
Mitsara ny mpanoratra eto nefa mahatsapa fa mba misy tsy mety koa ny azy
Fehiny:tsy misy tongalaatra eto an-tany ka tsara ny mifananatra
Soarilala ( 08/01/2012 21:12)
Vaovao izao ny taona
Ary isika moa mba ahoana?
Mbola afaka hihaona
Ihany ve sa ahoana!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316