Variana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Variana ianao mitady
ilay vola hiadanana
Variana ianao miady
Hitomboan’izay ananana

Dia adinonao ny miaina

Sondriana ianao miasa,
Hanompo izato vola
Sondriana ianao ka lasa
Ny lohanao koa sola

Dia adinonao ny miaina

Revo ianao miketrika
Mampiasa atidoha
Revo tretritretrika
Hikatsaka ilay soa

Dia adinao ny miaina

Kanefa anie ny vola,
Rahoviana no hangidy
Sa hiandry ny ho tola
Vao hijery adidy ?

Aoka samy hisaina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
882 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1089