You are here: home > Vetso

Veloma - raozigasy


… Oroka malefaka, tanaty fisarahana
oroka voalohany, namarana fiarahana
oroka Fitia, « veloma » nifanaovana
oroka nangina, feno fifandaozana

izay no sarisary, tazana ivelany,
fa ny tao anaty, jaly tsy anerany
fanontaniana maro, sady ts’isy valiny,
fa nanao ahoana re ! izany ve no rariny !

dia lasa ianao nandeha, nitana ranomaso
izaho nanohy ny diako, tsy nanantena andraso
fa “nanantena” fotsiny, … ny “toky” tao anaty
tsy maintsy mbola hihaona, “tsy maintsy” atsy ho atsy

rehefa any ianao, aza manadino
ireo sovenirantsika, fihino dia fihino
ireo sary izay nalaina, ataovy tsara jery
ilay tononkalo ireny, tandremo sao dia very . . .


ROISSY 09/07/04

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

bichette (18/08/2004 12:02:18)


tohina ny foko mamaky ny tononkalonao, fisarahana tao Roissy ???? marary dia marary

Hametraka hevitra

Midira aloha