VELOMA IANAO RANENY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA IANAO RANENY

Veloma ianao Raneny
nangina aho tsy nahateny
raha nampandrenesina
fa niantso i Fahafatesana

Veloma ianao Raneny
nilaozanao i Neny
ka triatra koa ny fony
sy sarotra mitony

Veloma ianao Raneny
ts'isy afa-tsy teny
no azoko atao
manao veloma anao

Veloma ianao Raneny
Veloma ianao ry Reny
vita ny adidinao
teto an-tany izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1667 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303