VOA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namanditra ny foko
Ilay fitaka antsoko
Sy daroka fitia

Nandrotika ny atiko
Ilay lolo iray tsy matiko
Sy toky izay malia

Nandoaka indray ny feriko
Ilay hosoky ny jeriko
S’ilay hanta diso tia

Namitaka ny saiko
Ilay lambo tsara jaiko
Nivolana hoe doria

Hay ka tsara velatra
Ilay tsihy nanjelanjelatra
Tambonin’ny longoa
Ka izay no nahavoa

Ka izao no teniko
Ozona tsy neniko
Anio aho no voanao
Fa ny todiko zakao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
987 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907