VOANKAZO AN-TSAHAN'OLONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOANKAZO AN-TSAHAN’OLONA

Voankazo an-tsahan’olona
Voankazo voarara
Tiana hatao tsikoninkonina
Mahate-hikarakara

Voankazo tsara fefy
Voankazo tsara vala
Toa manosika manesy
Mahate-haka sy hangala

Voankazo misy tompony
Voankazo tsara ambina
Nefa aho manantena potiny
Sady manantena ambiny

Ekeko maro ny voankazo
Misy tsiro isan-karazany
Kanefa ianao mihazohazo
Io ihany no tianao hotazana

Ekeko misy ny azo asolo
Izay tsirony tadiavinao
F’io ny anao no ilay tontolo
Tena efa andrasanao

Ka mahareta miandrasa
Izay no hafatro ho anao
Niandry koa aho fa tsy lasa
Raha teo amin’ny toeranao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1410 1
Hevitra mandeha
pissoa ( 09/03/2006 18:22)
Hmmm, mitady hangalatra an, hihihi.

Tsara e; sady mampiasa sarinteny kely indray eto an.
raozigasy ( 09/03/2006 23:38)
hafatra fotsiny ity tononkalo ity ho an'ilay namana mpangala-boankazo any an-tsahan'olona e !
Soarilala ( 03/06/2010 15:24)
Sao dia ssa-miandry eo f'izany efa eny an-tsahan'olona izany ve mbola misy anjara antenaina ho azo ihany, sa ahoana!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0278