Voankazo angalarina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handalo an-tsahanao rahampitso, ka dieny izao sahady
Dia mampiasa ati-doha, sy manoman-tetikady
Fa mikirozam-pahamasahana, ka mampitombo tsiriritra
Ireo voankazo an-tanimboly, izaho koa leo mipitrapitra

Fa hotakariko an-tsambikina, sy hosokirikiriko eo
Rehefa ela ve ny ela, tsy hikorotsaka ireo
Na avy hatrany dia hitondrako, ilay tohatohatra mivalona
Sa ve tonga dia anio, no hataoko latsak’alina !!!

Toa tsy andriko sahady, hahita ireo voa miravy,
Hotangosako tsy mihamba, ireo nofosana, matavy,
Ary avy eo dia kenaiko tsara, sao dia potraka aho ka vaky,
Dia hodioviko sasaiko, fa tsy hoe hohaniko malaky

Dia ataoko tsara vaofy, ilay hodiny manify
Tsy asiako na dia kely, hoe salotsalotra miampify
Rehefa izay voa horambasako, hotsamoninko amin’ivy
Tsy asiako avakavaka, na mamy io na marikivy

Dia tsetsefiko an-troka, ireo voa izay tsy azo hanina
Tsy avelako mihitsy, raha tsy efa andatra manganina
Na ireo manodidina aza, tsy mba misy izay avelako,
Fa ataoko tsara kiky, amin’ny nifiko sy lelako

Dia hanararaotra sy hitavana, fa tsy impiry handalo eo
Hanaram-po tsy hihafahafa, tsy hiala raha tsy leo
Dia rehefa mizihi-kibo, izay vao mody sy miala
Dia izay ambiny aleo ho any, fa voky aho ka tsy te hahalala
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1287 0
Hevitra mandeha
volana1 ( 12/07/2011 08:43)
Misaotra fa mahafinaritra ny mamaky ity tononkalo ity, hita fa be sarin-teny, samy mieritreritra izay tiany ho eritreretina ny mpmaky rehetra, misaotra Raozigasy a !
Soarilala ( 06/11/2011 19:19)
Toa tsy andry sahady ny handalovanao
Dia ho tanterahana izay tiana atao
Ka hanaram-po tokoa moa izany
Ary tsy hisy avela hiraraka amin'ny tany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1376