You are here: home > Vetso

Vonona - raozigasy

Azo vakiana?

Na ny alahelo mitambesatra
Na disadisa tsy voavaly
Na ny olana hampivalan-ketraka
Azonao ambara ahy

Na sentosento na tomany
Na ratram-po na adin-tsaina
Izay mitranga rehetra any
Amiko azonao zaraina

Fa vonona hihaino anao ny saiko
Vonona hihaino anao ny foko
Ny hangina tsy ho haiko
Raha ianao no mitoloko

PARIS 31/05/2004



Sokajy : Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha