Zaobavy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zaobavy a ! zaobavy
Ampy ilay mangina fa hoe manavy
Fa horaisiko kely ny fitenenana
Fa leo ilay isan’andro vava tsetsemana

Zaobavy a ! zaobavy
Ianao aza mihevitra anao ho favy
Fa jereo aloha ny fiainanao
Vao iny miresaka izao sy izao

Zaobavy a ! zaobavy
Ajanony aloha ilay resaka matavy
Hoe ianao no filamatra tsara indrindra
Ny tranonao alamina tsara rindra

Zaobavy a ! zaobavy
Aoka re le jejo miraviravy
Mihatsara-vela-tsihy amin’ny lokoloko
Mihaingo nefa ny ambaniny eo tsikoko

Zaobavy a ! zaobavy
Ampirimo ilay soketanao befiavy
Tsy ianao akory no tonga lafatra
Dia mandehana mody raha voaray ny hafatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0449