Zaraiko anao (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zaraiko anao ilay fifalianazaraiko koa ilay faniriana
hanamafy ilay fitia
hifamatorako amin-dry
zaraiko anao ilay ahiahy
ilay tebitebin'ny fanahy
ilay hasarotam-piaro kely
matetika izy no mamely
fa fitiavana no ambadiny
na dia ratsy aza ny adiny
ka mahabe fanontaniana
hoe manao inona ilay tiana
dia tafandria mandry ianao ry foko
rahampitso indray ianao antsoiko
manofisa mamy indray
hoe isika roa ange ka iray
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy