MAMAKY BOKY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay aho vizambizana
Na mila miala voly
Dia ny boky no vonjena
Ary tena mampitony
Hitako ao daholo mantsy
Ny fanitaran- tsaina, kilalao
Avy ao lhany koa
No hafantarako vaovao

Tsy leony mihitsy aho manokatra
Ao koa misy fianarana
Na hevitra tsy takatro
Hivelarana, hanitarana
Samy ankafiziko daholo
Na ny an- tsary na ny an-tsoratra
Any hanovozako hevitra
Na hangalako ohatra

Ny boky maro mampihomehy
Misy kisarisary adaladala
Dia tena maharoboka ahy
Mandany ora aho tsy miala
Ao koa ireo mampatahotra
Ary koa mampitebiteby
Sady mihaotra aho no dodona
Maika hamarana ny pejy

Any mampalahelo
Betsaka no tsy voavaky
Tsy maintsy misahana ny asa
Ny fotoana no tsy ampy
Ka raha ho avy ny ao aoriana
Dia izao no mba faniriana
Hisy efitra lehibe
Ho feno boky ho vakiana

RASOA
MAY 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
348 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022 16:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373