MANAVAKA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malalaka madio izato tranoko
Mbola misy ambim-bava izay hohaniko
Midadasika sy lonaka ny taniko
Nefa tsy hanaiky anareo aho ho sahaniko
Satria ny fiainako misosa sy mizotra
Tsy mba misy olana goavana mipoitra
Mihezaka mafy aho ny mihoitra
Ianareo te hitavana tsotsotra

Henoko ny fitenintsika samihafa
Ny anareo misy tsipelina hafahafa
Omban'ny fombanareo latsapaka
Hatahorako ny ahy ho voafafa
Hatramin'ny lokom-pihodirana tsy ekena
Matahotra ny zanakay mifanena
Koa ny hiaraka sy hifangaro ho fefena
Fa aza asiana an-kolaka hanerena

Izaho lasa lavitra fa tsy manavaka
Tsy mitsahatra aho isan 'andro ny mivavaka
Ianareo tena mbola anaty lavaka
Ny hiantra sy hanampy tsy ho araka
Koa omeko vatsy kely ianareo ho entina any
Hitadiavanareo izay mety ho mamy
Mino aho fa misy toerana eto an-tany
Handray anareo, fa ny aty tsy amin'izany.

RASOA
26 APRILY 2016 ( Mme Merkel)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
306 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/08/2022 19:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133