MISOLO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endriko mitsiky
No hanafenako ity foko maratra
@ ity fisarahana mikiky
Tsy nampoiziko hiatra
Efa nandramako ny saina
Mba hanaiky ny fanadinoana
Nefa herim-po very maina
Ilay fitia tsy haiko ho soloina
Izaho anefa no niala
Tsy nisy fandeferana
Mitabataba toy ny adala
Izao lasan ' olona ny toerana

Raha mbola hitia aho any aoriana
Dia tsy ho hadinoko ianao na rahoviana

RASOA
AOGOSITRA 2015
--------
Rohy:
144 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 30/06/2023 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0605