MITSAOKA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihezaka mafy mamaky ny onja
Mamaky ny laläna, miara- mitondra
Satria mahafantatra fa herin-tsaina monja
Dia ahatafita, hiampita ho tonga
Dia nihaniana irony havoana
Tsy maintsy natao, fa tsy safidy foana
Nandany andro, tsy nahalala fotoana
Fiainana maizina, toa misaona

Ny ankizy babena, ny enta-mavesatra
Mahatsiaro reraka, ny fo toa hitresaka
Ny tanjona tratrarina, tsy ahafahana mipetraka
Indraindray mila ho kivy, mivalaketraka
Ela ny ela sendra lala- mahitsy
Dia naka alokaloka sady nitsiky
Ireo vatsy sy hanina tena vitsy dia vitsy
Ny harerahana tsy mitsaha-mikiky

Maro ny lasa, ny aina tsy tana
Ireo menavava tsy nahazaka hafanana
Ny aretina koa mamely mazanä
Tsy maintsy miady fa mbola te-hiaina
Ao koa ireo havana mba te hitsaoka
Tsy afa-mandeha, toa te-hitroatra
Miaro ny fananana mba tsy hapoaka
Sy manampy ireo olona tsy tafavoaka

Izany rehetra izany dia vokatrin'ny ady
Tsy maintsy mitsaoka fa misy mitady
Mifofo ny aina, manao zava-pady
Aleo manavotr'aina, dia ny mbola tomady.

RASOA
Aprily 2014
Fifindramonina ny mpitsaoka ady
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 27/03/2022 18:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142