TSY NAMPILAZA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa ianao tsy nampandre
Ho anay tena tampoka be
Izahay mbola nanantena foana
Fa mbola ho lava ny fotoana
Hiarahantsika mikalo
Ireo hiranao tena maro
No hankafizinay
Nefa dia hitsahatra amin 'izay

Satria, isika tsy tompon- tsafidy
Ny fandaharana, Azy n'y didy
Koa mandehana, mandria am-piadanana.
Izahay tsy maintsy hanohy ny fiainana
Hamelon'afo ireo sangan'asa
Hifandimbiasana, tsy ho voafafa

RASOA
05 NOVAMBRA 2020
DC DADAH RABEL 04112020

Azo hiraina mitovy feo @
"Indro tsinjoko"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 29/06/2023 17:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161