You are here: home > Vetso

DITRA - RATAN

Azo vakiana?

Tonga ny maraina
Mihetsika na dia malaina
Andeha hitady tombotsoa,
dia ny fianarana mamy soa.

Domelina tsy mahavita asa
Mifoka sigara dia lasa
Miandry lakolosy maneno,
hay ny enti-mody mbola tsy feno.

Ditra tsy ditra rehefa ao an-dakilasy
Taoka sy sigara no atao pasipasy
Ny mpampianatra koa moa tsy mahalala rahateo,
hany ka manararoatra lay akama betsileo.

Tsy hitahita dia tapitra ny fotoana
Ny revy rahateo efa foana
Ny endrika amam-bika efa miovaoba,
tsy hita intsony lay vatana dongadonga.

Sokajy : Fifaliana, vazivazy

Mombamomba

Mpanoratra : RATAN


Nampiditra : Ratan03
Daty : 30/12/2017
Mpamangy : 869
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

HERINANDRO
BERGUITTA
NOFY
Ny ANIO
Ny ALINA
TAPAKA
Fa andro inona hono zareo
Hafatra
AVA
NY BOKY