You are here: home > Vetso

BIBILAVA VONOINA - RATSIMBA Georges

Azo vakiana?

1-Hitako tsy misy tanana
  Ka tsy ho afa mandrangotra
  Koa nozerako tantanana
  Maty tsy nakàko sarotra!

2-Jereko ny tongony: bory!
  Lela no mba nantenainy!
  Tsy afa-nitsipaka akory
  Dia efa tapitro ny ainy!

3-He bibilava vonoina
  Na tany na olona osa!
  Tody no hany antsoina
  Fa tsy afa-manohitra kosa!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Mandroseza, faha 7 Septambra 1966

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

rhina (14/10/2005 09:19:14)

ny azoko lazaina dia ny bibilava no biby atahorako indrindra ka tsy dia misy hevitra momba an'io tononkalo io aho

Hametraka hevitra

Midira aloha