You are here: home > Vetso

FETINAO ANIO, RY NENY! - RATSIMBA Georges

Azo vakiana?

Fetinao anio, ry Neny
Ka hisokatra ny vava
Mba hanolotra amin-teny
Voninkazo sy arahaba!

Arahaba ianao, ry Neny
Reny tianay tokoa
Ary etsy mamikely
Ny takolakao roa!

Ary solom-panomezana
Noho ‘zao fetinao izao
Voninkazo am-pehezana
No atolotray anao!

3 jona 1971
Ny RAHONA RATSIMBA Georges

Sokajy : Fety, Tsingerin-taona

Hametraka hevitra

Midira aloha