FITENY MALAGASY (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1-Tsapanao va re ny hakanton'ny fiteny malagasy,
Na andaharana an-kabary na atao an-taratasy?
Toa tsotra am-pamoronana, malefadefaka eo am-bava
Nefa kosa mahavoaka foto-kevitra mazava

2-'Zany raha arindra izy, mova tsy ny feon-dokanga:
Milantolanto raha tononina, kaloina mainka mihamanga
Ny hanoharako azy angaha dia orana mijononoka
Mamonto tany; ary ny heriny; ony be misononoka

3-Variana foana ny vahiny mandinika ny hainteniny!
Endrey izany tononkalo sy ankamantatra afeniny!
Ny ohabolany manoatra ny vatosoa voasisy fatratra,
Ny halalinan'tsain'ny Razana no abaliakany hitaratra!

4-Manana ny teniko aho ka tsy hindrana ny an'olona
Hitory ny famoizam-poko sy fitia mamololona
Na handalina ny saiko na hivaofy foto-kevitra:
Tenin'olona afaka izy ka tsy afaka handefitra!

5-Andriamanitra ô! ry Teny! Izao no zavatra angatahiko:
Toy ny niharianao ny tena, saina sy fanahiko,
Tonony re ny hoe: Foana! hahafoana ny fiainako,
Raha ny teniko ka sahiko bantina ho tsy ampy mba hisainako!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Mandroseza faha, 17 Mrtsa 1965
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
3162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146