HASAMBARANA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1° Tsy fiombonam-pofonaina fony isika nifanoroka
Vetivety dia nisaraka
No niteraka hasambarana tany anatintsika tany,
Sanatria tsy izany!
Moa ny voromahailala tsy mba sambatra tokoa
Raha mibakobako roa?

2° Tsy fifamihinan-drantsana toa mamindra hafanana
Vetivety dia vahana
No niteraka hasambarana tany anatintsika tany,
Sanatria tsy izany!
Moa ny volo sy ny vahy tsy mba sambatra raha toa
Ny mifandadina ho soa?

3° Tsy firindran’ny famindra miaraka milaika mora
Minitra vitsy fa tsy ora
No niteraka hasambarana tany anatintsika tany,
Sanatria tsy izany!
Moa ny an’ny tana-milina tsy efa tena fanaperana
Raha’firindra no hasambarana?

4° Raha fiombonam-pofonaina na fifamihinan-dratsana
Raha firindran’ny famindra amin-dalana niraisana
No niteraka hasambarana any anatintsika any,
Zavaboary ihany isika ary mbola biby ihany!

5° Inona ary ny hasambarako? Ary ny hasambaranao?
Eny, ny hasambarantsika? Aza-fady mba lazao!
Tsy firaisana ara-nofo fa fiombonana ao anaty
Ary tsy mba vetivety, tena mandra-pahafaty!

6° Fiombonan-kafaliana, fitovian’ny fahita
Na miara-dia izany, na an-dafy na am-pita;
Fiaraha oriory ary koa firaisan-tsaina
Na ny alina hatory, na mifoha ny maraina!

7° Manoloana volam-peno na masoandro takariva?
Na mijanjy(1) feon’antsiva?
Samy vonton-karavoana, miaraka misento mora
Ary dia hadino ny ora
Mihodina hifampijery, dia miaraka mitsiky :
Izany hasambarana iky!

8° Raha tojo ady mafy, ady manko hoe ny fiainana
Iza moa no hitarainana?
Dia miaraka mihoitra fa tsy samy mila ho azy
Ny ady tsy mba vazivazy!
Miato kely dia misento, mihodina hifampijery,
Mitsiky dia mahazo hery!

9° Eo am-parafofonaina, na dia vonton-dranomaso
Noho ny herin’ny ankaso,
Tsy handositra ahy ianao fa hanatrika ny tavako
Hanakombona ny vavako,
Ka ‘lay tsiky farany iny taratry ny hasambarako
No hitsenako anao rahavako!

10° Ny hasambarantsika manko, tsy hasambarana ara-nofo
Vetivety dia miofo,
Tsy hasambarana tefena mba handrendrika ny maso,
Fa rava moran’ny ankaso,
Fa fiombonana am-panahy, fiombonana ao anaty
Tsy mba rava mandra-maty!

TOLIARY, 30 Novambra 1975
Ny RAHONA



Mijanjy (1): mihaino
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2394 1
Mpakafy: naritsimba
Hevitra mandeha
NyKanto ( 19/09/2006 04:26)
Fanekena tena tsara!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137